Radio Avec Ihosy

Menu
  • Fandraisana
  • Vaovao
    • Radio Avec
    • Hetsika
  • Aim-panahy
    • Evanjely
    • Vavaka
    • Olomasina
  • Diôsezy
    • Pretra
    • Relijiozy
    • Sahan'asa
    • Firotsahana
  • Ny momba anay
    • Tantara
    • Mifandraisa aminay
  • Malagasy (Madagasikara)
  • Italiano (Italia)
  • Français (France)
  • English (United Kingdom)

Radio Avec Ihosy

  • Fandraisana
  • Vaovao
    • Radio Avec
    • Hetsika
  • Aim-panahy
    • Evanjely
    • Vavaka
    • Olomasina
  • Diôsezy
    • Pretra
    • Relijiozy
    • Sahan'asa
    • Firotsahana
  • Ny momba anay
    • Tantara
    • Mifandraisa aminay

Filan-kevitry ny AIM Diosezin’Ihosy: Fifidianana sy Fanavaozana ho amin’ny Fandrosoana

  • Imprimer
Détails
Mpanoratra RASIVIANDRIANARISON Lahiniriko Mahaleo
Sokajy : Hetsika
Naseho ny 7 juillet 2025
35 no efa namaky

Ihosy, 4 Jolay 2025 — Notanterahina tao amin’ny Didec Ihosy ny Filan-kevitrin'ny AIM (Antilin'i Madagasikara) ho an’ny Diosezin’Ihosy. Fivoriana manan-danja notarihin’ny Filohan’ny AIM Diosezy, Fil Paulbert, Ray am-panahy (RAP) ao amin’ny fikambanana, niaraka tamin’ireo ekipa teo aloha sy ireo solontena avy amin’ny rantsamangaika manerana ny faritra.

Ny Filan-kevitry ny AIM Diosezy dia rafitra manan-kery eo anivon’ny fikambanana, iarahan’ny ekipa Diosezy mitondra fehitenda manga, ireo solontena faritra mitondra fehitenda vony-parasy, ary ny toniam-pivondronana mitafy folara volomboasary. Izy ireo no mandrafitra sy mitantana ny asa sy vinan'ny AIM amin’ny sehatra eo an-toerana.

Nanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany maraina ny fotoana, narahina vavaka sy tatitra avy amin’ireo mpikambana. Ny tanjona dia ny hizara amin’ny rehetra ny asa vitan’ny herintaona, ny olana sedra ary ny vinavina vaovao ho fanatsarana ny fiainan’ny fikambanana.

Nampitombo hasina ny fotoana ny fifanakalozan-kevitra manodidina ny fiainam-pinoana, fanabeazana ara-panahy, ary ny fanatsarana ny rafitra anatiny.

Tamin’ny tapany tolakandro, notanterahina ny fifidianana ny FIDI (Filohan’ny AIM Diosezy) sy ireo mpandrindra vaovao. Ireto avy no kandida:

Fil Yves Herindrazana Andrianambinina (FIDI teo aloha)

Fil Mamy Andrairimanga (CONAT – Ekipa Nasionaly)

Fil Pierre Tsimibana(FIFA teo aloha)

Taorian’ny famakiana ampahibemaso ny sata mifehy ny fifidianana, dia niroso tamin’ny tsangan-tanana ny mpikambana. Lany indray tamin’ny fomba ara-dalàna i Fil Yves Herindrazana Andrianambinina, izay efa nitantana ny fikambanana nanomboka tamin’ny taona 2015. Araka ny sata, dia azo havaozina indroa ny fitondrana, ka izao no fanavaozana faharoa sy farany ho azy.

Ny valim-pifidianana dia halefa amin’ny Eveka Ray Mpiandry ao amin’ny Diosezy, alohan’ny handefasana izany ho fankatoavana amin’ny Filoha Nasionaly. Raha vantany vao voamarina, dia afaka mandray ara-dalàna ny andraikitra ny FIDI sy ny ekipany vaovao

Ny AIM na Antilin’i Madagasikara dia fikambanana mitaiza sy manabe aram-panahy, aram-pinoana, ara-batana ihany koa. Mikendry ny fanamafisana ny finoana, ny fampandrosoana ara-panahy, ary ny fiaraha-monina miorina amin’ny fitiavana sy fahamarinana. Manana andraikitra lehibe eo amin’ny fiainan’ny fiangonana sy ny mpiara-belona ihany koa

© 2025 Radio Avec Ihosy