Ihosy, 29 Martsa 2025 – “Tolom-panafahana fanilo miampita ho an’ny taranaka” no teny faneva nanamarika ny fankalazana ny tsingerintaona faha-78-n’ny tolom-panafahana 29 Martsa 1947 teto an-tanàna. Fankalazana ara-pivavahana no nanombohana izany, notanterahina tao amin’ny fiangonana FJKM Ihosy Fahazavana, nanomboka tamin’ny 7 ora maraina.
Vavaka firaisam-pinoana no nisantatra ny fotoana, niarahan’ny FFKM sy ny mpino avy amin’ny fiangonana samihafa teto Ihosy: FJKM, FLM ary Fiangonana Katôlika. Nitondra amim-pinoana sy amin-kitsim-po ny vavaka sy ny hira fiderana, ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho fahatsiarovana an’ireo mahery fo namoy ny ainy ho an’ny tanindrazana.
Nisongadina teo amin’ny fotoana ny fiarahan’ireo solontenam-panjakana sy olom-pirenena tsotra niombom-bavaka. Nanatanteraka ny fotoam-pivavahana ny Mpitandrina Andrianandraina Mamy Alson, Pastora avy amin’ny FJKM, niaraka tamin’i Pastora Andriandraina Nomenjanahary Emilson, TFMM ao amin’ny FLM Katedraly Ihosy, ary Mpandrindra voalohany ao amin’ny Diosezin’Ihosy, Randrianirina Jean Noel, ho an’ny Fiangonana Katôlika.
Nanentana ny rehetra tamin’ny fampianarany izy ireo, nanasongadina ny hasin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny lanjan’ny fanoloran-tena. “Ny omby no maty vao misy hena. Kristy no maty dia isika no voavela sy afaka, ary ireo razan-tsika nitolona maty no nahazoantsika fahafahana,” hoy ny hafatra nentin’ireo mpitarika.
Ramatoa Marijaona Wicky Elinah, lefitry ny Lehiben’ny Distrikan’Ihosy, izay nisolo tena ny solontenan’ny fanjakana, no namarana tamin’ny fandraisam-pitenenana manetriketrika ity fotoana ity, mialoha ny tso-drano farany.
Taorian’izany dia notohizana tamin’ny lanonana ara-miaramila sy fametrahana fehezam-bonin-kazo teo amin’ny tsangam-baton’ny mahery fo, ho fanomezan-boninahitra farany sy fahatsiarovana lalina ireo nijoro ho an’ny fahaleovantenan’i Madagasikara.
Fankalazana nentina amim-pitiavana sy fahatsiarovana lalina, nahatsiarovana fa ny tolona dia fanilo tokony hoentin’ny taranaka mandimby.
© 2025 Radio Avec Ihosy