Ny 02 Febroary dia andro natokana hoan’ireo mpanolo-tena ka mirotsaka an-tsitrapo hoan’i Kristy. Mankalaza io andro manerantany hoan’ny relijiozy io koa ny eto amin’ny diosezin’Ihosy. 3 andro no faharetan’izany ka isany nanamarika ny andro voalohany tamin’ity taona 2025 ity ny fivoriana izay niarahan’izy ireo ny zoma 31 janoary. Tao amin’ny Paroasy Saint Vincent de Paul Besavoa Ihosy no teoram-pivoriana izay nahitana solontena avy amin’ny vaomiera eto amin’ny diosezy.
Vavaka no nanokafana ny fihaonana vao niroso tamin’ny fifampizarana izay notarihin’i Mgr Fulgence Razakarivony, evekan’ny diosezin’Ihosy. Nasiana fanatsarana nandritry io fotoam-pivoriana io ihany koa ny fankalazana hoan’ity taona ity. Notsongain’eveka tamin’izany ny taratasy nosoratan’i Mgr José Rodriguez Carballo hoan’ny fiainana voatokana tamin’ny 18 Janoary 2021 hampitany ny fampianarany sy nankaherezany azy ireo ihany koa.
Naveriny novakina tamin’ireo koa ny hafatrin’i Papa François tamin’ny 02 febroary 2019. “Fihaonana velona amin’ny Tompo sy ny olony ny fiainana voatokana, antso ho amin’ny fankatoavana amim-pahatokiana isan’andro sy amin’ireo fahagagana. Tsy mbola nisy toy izany avy amin’ny Fanahy, dia ny fahitana izay mety horaisina mba hananana fifaliana: Jesoa”
Toarian’ny fampianaran’ny evaka, nasiana fanatsarana ihany koa ny fandalinana Sakramenta Masina dia ny Katesizy eto amin’ny diosezy. Lahadinika notarihin’ny Mp Anja Roger, mopera zokiny indrindra eto amin’ny diosezy ka izany no nanendrana azy hitarihany ity dinika ity.
Ny boky “Izaho Mino” izay nosoratan’i Mp Jean Guy Rakotondravahatra tamin’ny 1990 no boky ampisaina amin’ny fampiarana katesizy hoan’ny eto anivon’ny diosezin’Ihosy. Ara tantara dia io no boky faha 6 tamin’ireo boky nifandimby nampisaina tamin’ny fampianarana teto
Ny AIM (Antilin’I Madagasikara) dia fikambanana masina mitaiza sy manabe ireo zatovo ho olom-banona, miaina sy mivelona ny fotom-pinoana Katolika Raomanina Apostolika. Lamesa notanterahina tao amin’ny efitrano fivavahana Eveché Tanambao Ihosy no niarahan’ny mpiakambana AIM teto amin’ny diosezy ny marainan’ny sabotsy 05 Novambra 2022. Sorona Masina fisaorana ny RAP (Ray Am-Panahy) teo aloha ary koa fandraisana ny vaovao izay handimby azy amin’ny andraikitra nosahiny tato amin’ny fikambanana.
Nanomboka tamin’ny 08 ora sy sasany ny fotoam-pivavahana izay notarihin’i Jeannot RANDRIATSIMIALONARIVO, Mp Skoto ray ampanahy teo aloha. Tonga nanatrika izany ihany koa i Mp RANDRIAMAMPIONONA Flavien Victoria, vikeran’ny Paroasy amin’ny maha tompon’andraikitra voalohan’ny Paroasy azy.
« Tsy misy afaka hanompo Tompo roa, dia Andriamanitra sy ny harena » io dia isan’ny lohahevitrin’ny fampiarana nataon’i Mp Jeannot RANDRIATSIMIALONA tamin’izany. Ilaina ny vola sy ny harena hoy izy fa tsy natao ho tompoina fa Andriamanitra irery ihany no tompoina. Ny AIM dia mpanompo fa tsy ho tompoina ary izany asa fanompoana izany dia mila fanetre-tena. Aoka ny Antily haka tahaka an’i Jesoa Kristy amin’ny asa fanompoana.
Vavaka sy firariantsoa ny fiainam-pikambanana sy hoan’i Mp Herman Berthin ANDRIAMANANJARA, Mp handimby azy no namarany ny teniny. Fisaorana sy fiarabana arakin’ny fomba Skoto teo an-tokotanim-piangonana niarahan’ny mpikambana rehetra kosa no nandraisana ny RAP diosezy vaovao
Tontosa androany 14 septambra 2021, tao amin'ny lasapelin-dry masera Clarisses, Ampandratokana, kominina Ankily, diosezy Ihosy, ny voady masina voalohany, fanoloran-tena amin'Andriamanitra nataon'i masera RAZANAMALALA Marie Nicole de Jésus Bien-Aimé.
© 2025 Radio Avec Ihosy